- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndramena tao « Cap Masoala : Nosavaina ny tranon’ny tompon’ilay sambo «...

Andramena tao « Cap Masoala : Nosavaina ny tranon’ny tompon’ilay sambo « lumina »

Na efa mifonja vonjimaika tao Tsiafahy ilay tompon’ny orinasa « Tsaralaza », sy ao Antanimora ny vadin’ny mpikarakara ny sambo « Lumina » nahatrarana ireo andramena am-bodiomby tao « Cap Masoala » ; dia navoaka ny fonja izy ireo mba nahafahan’ny mpitandro ny filaminana misahana ny fanadihadiana notarihan’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena nasionaly avy eto Antananarivo, nanao ny fanadihadiana ifotony teto Toamasina, omaly tontolo mikasika ny vontoatin’ny raharaha. Omaly alakamisy nanomboka tamin’ny 11ora ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 5ora sy sasany, ny fisavana nataon’ireo andiana zandary sy polisy avy ao Antananarivo, ny tranon’izy mivady tao Valpinson Toamasina. Tsy nisy fanazavana azo mikasika ny zava-nisy nandritra ny fisavana rehetra, fa ny fidirana sy fivoahan’ireo mpitandro ny filaminana no hitan’ny be sy ny maro liana tamin’ity raharaha andramena tratra ity. Nisy fotoana aza nentin’ireo mpitandro filaminana niala ilay trano misy azy mivady tao Valpinson ilay ramatoa tokonyho tamin’ny 2ora sy sasany teo, izay tsy fantatra marina ny nitondran’izy ireo azy, ary tsy niverina tao Valpinson raha tsy tamin’ny 5ora hariva. Taorian’ny fisavana ny trano tao Valpinson, adiny enina, dia : baoritra, harona, fitaovana fanisana vola, kitapo mainty, ary valizy kely (mallette) mainty, no navoakan’ireto mpitandro ny filaminana avy tao amin’ity trano nosavaina. Ireo entana efatra voalohany dia nampidirina tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana nitondra ilay zandary nitarika ny fisavana, ilay valizy kely kosa nampidirina fiara tsy mataho-dalana hafa indray. Ireto mpivady kosa naiditra fiara Sprinter taxi-brousse niaraka tamin’ireo andiana zandary sy polisy, ka nisy ny fanokafan-dàlana tamin’ny alàlan’ny kiririoka natao tamin’ny fitondrana azy mivady. Nandritra ny fisavana ny trano aloha, dia tsy nisy na tamingana andramena iray navoaka avy tao amin’ny tranon’izy mivady ity ; ireo mpitandro ny filaminana na nampiandry ny mpanao gazety nandritra ny adiny enina aza tsy nisy na iray aza nanome fanazavana ny fizotry ny raharaha. Raha tsiahivina anefa dia andramena 341 tratra am-bodiomby tao anaty sambo « Lumina » anefa no hanenjehana azy ireo…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici