Nandritra ny fahatongavan’ireo andramena tao anatin’ireo kaontenera enina avy any Maurice ny alakamisy maraina be teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, avy hatrany dia nosokafana izy ireo ny tolakandro raha vao tonga niatrika izany ny minisitra roa, nahitana ny minisitry ny vola sy ny teti-bola; sy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia, ny ranomasina ary ny ala.
Nisy ny famindrana ireo andramena 120 taonina ireo tao anaty kaontenera enina ireo tamina kaontenera hafa, izay tsy vita raha tsy tamin’ny 11 ora alina raha nanomboka tamin’ny 03ora tolakandro teo izany ny alakamisy teo. Raha nisaina anefa ireo andramena tao anatin’ireo kaontenera ireo, dia niisa 520 ireo tena andramena tao anatiny; nisy kosa ireo tsy andramena niisa 184 nampiarahana tamin’izy ireo saika namitahana ireo tokony nividy izany tany azia ny 2011 nahatrarana azy tao Maurice. Avy hatrany dia nahavana ireto hazo tsy andramena tao anatin’ireto kaontenera avy any Maurice ireto nefa nogiazana eo anivon’ny MICTSL ihany na izany aza; ireo tena andramena kosa dia nohidiana tao anatina kaontenera vaovao alohan’ny hanokafana ny tolo-bidy iraisam-pirenena aminy afaka enim-bolana.
Ny zavatra tsikaritry ny rehetra niatrika ity fahatongavana sy fanokafana ireo kaontenera enina avy any Maurice ity teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia ny tsy fifankazahoana teo amin’ireo minisitra mirahalahy nirahan’ny fanjakana niatrika ny raharaha. Na niezaka nanafina ny zava-nitranga aza izy ireo dia hita tamin’ny fihetsiky ny tsirairay ihany ny olana misy tamin’izy ireo. Voatery nosarahana vokatra izany ny fametrahana fanontaniana tamin’ireto minisitra ireto tsy hisian’ny olana.
Malala Didier