Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Masay iny omaly. Nifanandrinan’ny pôlisy sy ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Vokany ! Telo tamin’ireto farany no lavo, iray tamin’izy ireo kosa afa-nandositra.
Mpandraharaha iray teny amin’iny faritra Analamahitsy iny no saika lasibatry ny andian-jiolahy mahery vaika omaly. Soa ihany anefa fa tonga aloha teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana ny fikasan-dratsin’izy ireo ka efa napetraka avokoa ireo paik’ady rehetra hisorohana izany. Vao nahatazana ireto mpitandro filaminana tonga anefa ireo jiolahy dia voalaza fa nanao tifitra variraraka avy hatrany. Tsy niandry ela ihany koa anefa ny valin-kafatr’ireo mpisambotra tetsy andanin’izay.
Tsy nahaleo ireto mpitandro filaminana tsara ofana amin’ny toe-javatra tahaka izao moa ireo olon-dratsy fa nisy telo amin’izy ireo no voan’ny bala ary maty tsy tra-drano. Nahita izay kosa ny naman’izy ireo iray ka nanao tongotra an-katoka nitsoaka. Isan’ireo olon-dratsy mpanao fanafihana mitam-piadiana ikohizana sy mampikolay ny maro teto an-drenivohitra ireto maty ireto. Ka anisan’izany ireo fanafihana nitranga tetsy Nanisàna sy Besarety ary ireo maro hafa. Tetsy an-danin’izay dia azo teny am-pelatanan’ireto jiolahy ireto ny basy « kalach » iray niaraka tamin’ny bala maromaro sy basy poleta iray, izay nentin’izy ireo nanoherana ireo pôlisy sy nomaniny hanafihana ilay mpandraharaha
m.L