Nandriaka ny rà tamina faritra telo teto an-drenivohitra. Aina telo be izao no indray nafoy, ankizikely vao 2 taona sy tapany monja ny iray tamin’izy ireo.
Tetsy Andranobevava, lalana mizotra mankany Ankerana iny, ny voalohany, nahafaty ity zaza ity. Fiara tsy mataho-dalana iray, an-dalam-panamboarana no nihemotra mafy ary nanitsaka zaza roalahy, nandalo teny an-toerana, araka ny fitantaran’ireo nahita ny zava-niseho. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro teo no niseho ny loza. Raha ny fitantarany hatrany dia toa tovolahy vao mianatra fiara angamba ny nitondra io fiara tsy mataho-dalana io. Tsy voafehiny akory mantsy ity fiara ity kanefa izy mirifadrifatra be mitondra azy. « Efa hatramin’ny omaly hariva (ndlr alahady hariva) izy io no natahorana tanteraka, kanjo dia izao androany (ndlr omaly) izao no namoa-doza ». Ilay ankizilahy kely zandriny no tena voa mafy, satria dia notetezin’ny kodiarana tanteraka ny tarehiny. Ilay zokiny kosa dia voadona teo amin’ny tratrany. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly izy roalahy kely ireto saingy tsy tana intsony ny ain’ilay zandriny raha mbola manohy ny fitsaboana ilay zokiny ireo mpitsabo.
Ny loza faharoa nitranga dia tetsy Faravohitra lalana midina mizotra mankeny Ambohijatovo iny. Fiara « sprinter » iray no tapaka hisatra ary nifatratra tany amina tranon’olona, rehefa avy nandona mpandeha an-tongotra. Vokany, olona roa ihany koa ny naratra saingy ny iray no tena voa mafy. Ity farany, izay tsy tana rahateo ny ainy, nony tonga tany amin’ny hôpitaly vokatry ny ratra nahazo azy. Lehilahy 29 taona izy io, raha ny vaovao azo. Fa ankoatra ireo omaly ireo dia nitrangana lozam-pifamoivoizana ihany koa tetsy Andavamamba, ny alin’ny alahady lasa teo. Tovolahy nitondra kodiaran-droa indray no nodomina fiarakely iray teny an-toerana. Naratra mafy ilay voadona tamin’io fotoana io ary noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa namoy ny ainy, teny am-pandehanana hamonjy izany. Efa mandeha avokoa ny fanadihadiana mahakasika ireto loza telo namoizana ain’olona ireto, ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany.
m.L