Nivaharahontsana ny olona iray tanàna sy ny mpianakavy, raha nahare ny zava-nitranga tsy faseho aman-tany sy masoandro nataon’ilay lehilahy antsoina hoe Doué, izay voalaza fa nanolana ny anabaviny iray tampo aminy, fantatra amin’ny anarana hoe Volasoa, tokony ho 17 taona eo. Ny fampitam-baovao voaray no nahalalana fa niasa volamena tany an-tsaha i Doué, tamin’iny roa herinandro lasa teo iny, raha nivarotra ravim-paraky tany amin’io tobim-bolamena ihany koa i Volasoa anabaviny tamin’izany andro izany. Somary efa maizin-joro ny andro na efa niletika ihany koa ny masoandro no niara-namonjy fiodiana tao amin’ny fokontan’Andranobevava, kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izy mianadahy tamin’izay. Tsy hay izay nitsirian-kevitra tamin-dralehilahy teny am-pandehanana an-tongatra tamin’ny lalana, fa nositominy tamin’ny vozon’ankonjony ity farany ka nanontaniany nanao hoe: « hitorika ahy ve ianao sa tsia azafady ». Namaly mora i Volasoa taminy hoe : « fa inona no anton’izany fanotaniana izany ? » Mbola niteny ihany i Doué nanao hoe : tsisy nininona, mba manontany fotsiny aho ka. Hay ve, hoy Volasoa taminy, sady nanamafy ny tsy hitorika. Teo no nanararaotra ny filan-dratsiny ranamana. Nalavony tamin’ny tany i Volasoa, ka tsy afaka nikofoka nanao inona. Vita mihitsy ny sitra-pony vao navelany tao i Volasoa, ka lasa nitsoaka nalaky tsy hita tany nalehany ilay navanon-doza. Nigogogogo tamin’ny ranomaso ity tovovavy ity, nandritra ny fahatongavany tany amin’ny trano fonenany. Gaga sy talanjona ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina, rehefa nahita azy latsa-dranomaso sy nitantara ny zavatra nanjo azy. Tsy niandry ela ny fianakaviany, fa niroso tamin’ny fametrahana taratasy fitoriana teny amin’ny biraon’ny Zandary ao Andranobevava. Noraisin’ny mpitandro ny filaminana ny filazana fikarohana, makasika an’ilay lehilahy nanao asa fanolanana tamin’ny anabaviny mpiray tampo aminy.
Ratantely