- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranobevava-Maevatanàna : Ramatoa nivarotra ny zanany efa-bolana

Andranobevava-Maevatanàna : Ramatoa nivarotra ny zanany efa-bolana

« Tena misy raha marina la terre ! » ny mandehandeha tokoa mahita raha, araka ilay fiteny mahazatra izay, raha ny zava-nitranga tsy fampiseho masoandro hita nataon’ilay renim-pianakaviana, tamin’ny famarotana ny zanany vao efa-bolana tamin’olona, tany Bekabary, fokontany Andranobevava, kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’izany ny herinandro lasa teo iny. Ny fampitam-baovao am-bava voaray avy any an-toerana no nahalalana, fa nisy Ramatoa iray nilaozam-bady miriaria eran’ny tanàna, mitady olona hividy an’ilay zaza vao efa-bolana eo ho eo, tao amin’ny tanàna voalaza etsy ambony. Ity farany moa dia mitety varavaran-tranon’olona mihitsy amin’ny fitadiavana mpividy an’ilay Zaza tsy manan-tsiny. Ny an-kamaroan’ny olona teo Andranobevava dia tsy sahy hividy an’ilay ankizy no nilaza ny matahotra Andriamanitra. Tao indray ny nanaiky ny hividy, fa saingy nihemotra ihany, rehefa nolazain’ny mpiara-monina teo amin’ny manodidina. Hita fa tena tery tokoa ny lalan’ilay Ramatoa hivaro-janaka dia niroso niala moramora nandeha namonjy tobim-bolamena malaza iray, tany « Bekabary, » atsimon’Andranobevava izy. Vehivavy lehibe iray tsy dia misy mahay tao an-toby no nisy olona iray nahatsikaritra nifampizara vola sy nandray an’ilay ankizy vao efa-bolana tamin’ny reniny niterak’azy. Rehefa vita ny fifanarahana sy ny fifanan-kalozana dia samy niparitaka ny roa tonta. Haravoana tsy homby tratra no nasetrin’ilay Ramatoa efa lehibe, nahazo an’ity zazavavikely ity no tonga dia hamonjy fodiana any amin’ny tany fiaviany ity farany. Teny am-pandehanana tongotra no nigogogogo tamin’ny ranomaso tokoa ny Zaza efa-bolana, satria mety tehinono amin’ny reniny, saingy efa malazo sy tsy misy ronono ny nonon’ilay ramatoa. Taitra ny olona sendra azy teny an-dalana, raha nahita ny fitomanian’ilay ankizy. Nitangorona  teo ny olona no sady nanontany tamin’ny teny hoe : fa maninona no hampijaliana ny zazakely, sady tsy homena nono. Tsy nahita havaly moa ilay Ramatoa. Tazan’ity lehilahy iray nahita ny famarotana ilay Ramatoa no niteny azy malaky ity farany nanao hoe : tsy zanakao io, fa avereno any amin’ny reniny niterak’azy, hoy hatrany ilay lehilahy. Nody nitapy ilay Ramatoa, sady nentiny nitsoaka ny Zaza teo am-pelatanany no nanamafy niteny sy namaly botana izy : zanako ity, fa tsisy hidiranareo ny fananako an’ity Zaza ity. Ny olona moa tsy sahy nanaraka azy no namonjy fiasana teny an-toby. Hatreto aloha dia tsy nahenoana feo ny toerana misy an’ilay Reny niteraka an’io Zazavavikely vao efa-bolana sy ny olona nahazo azy io. Marihina fa salama saina tsara ny renin’ity Zaza ity.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici