- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAndranobevava : Tranombarotra sinoa nahitana taolam-paty sy vatosoa

Andranobevava : Tranombarotra sinoa nahitana taolam-paty sy vatosoa

Miafina amina fivarotana kojakoja ilaina ao an-tokantrano ny terantany sinoa iray. Zavatra hafa anefa no toa ao ambadika ao.

Taitra avokoa ny olona rehetra teny amin’iny faritra Andranobevava iny, raha nahita mpitandro ny filaminana tonga tamina tranombarotra iray teny an-toerana. Tranombarotra izay voatondron’ireo mponina fa, mivarotra kojakoja fanaovan-trano ary teratany sinoa vehivavy no tompon’ilay fivarotana. Araka ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra tazana teny an-toerana, dia nisy ny fisavana natao tamin’ity trano ity, araka ny didy izay navoakan’ny tribonaly teny Anosy tamin’ny alàlan’ny tonia mpampanoa lalàna. Nambara mantsy fa nahitana taolam-paty sy vatosoa aman-taonina maro tao amin’ity trano ity, ka izay no antony nahatonga io fisavana io. Rehefa natao anefa ny fisavana dia  tsy hita tao amin’io fivarotana io ireo zavatra voalaza ireo, raha ny loharanom-baovao teny an-toerana hatrany. Loharanom-baovao marim-pototra akaiky ny fitsarana no nahafantarana fa, efa manana raharaha maromaro eny ity teratany vahiny ity ary betsabetsaka ireo didy fampisamborana azy io. Ny mahagaga anefa, dia saika afa-maina amin’izany foana izy io, raha ny fanazavana azo. Tamin’ity indray mitoraka ity dia raharaha hafa mihitsy, olona nitory azy fa nanam-bola taminy, no nidinan’ny tompon’andraikitra teny an-toerana nanatanteraka ny fanadihadiana sy fisavana trano, eny fa na mihidy aza ity farany ; izay notanterahana ny talata lasa teo. Tamin’izany no nahitana ireto tranga mampihorin-koditra ireo, araka ny filazana loharanom-baovao hatrany. « Taolam-paty anaty baoritra maromaro, efa voafono zavatra fotsifotsy, niaraka tamina vato sarobidy mbola tsy voatefy, aman-taoniny maro mihitsy no hita tao. Tsy afa-nikitika anefa ireo tompon’andraikitra tamin’izay fotoana izay, noho ny maha zavatra hafa no nahatongavana teny.». Marihina fa ny talata teo no nalefa ny tatitra ary omaly alakamisy vao natao ny fisavana. Fotoana malalaka tokoa nahafahana manafina ny zavatra tokony tsy ho hita angamba. Na izany na tsy izany anefa dia fantatra fa efa misy ny didy hanokafana fanadihadiana lalina sy hisamborana ilay sinoa vavy navoakan’ny fitsarana, mikasika ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser