- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndranodambo : Mbola maro ireo olona tsy hita

Andranodambo : Mbola maro ireo olona tsy hita

Tsy mbola milamina ny any amin’ny Faritra Anosy any Amboasary Atsimo indrindra ny any Andranodambo. Ny vaovao voaray avy any an-toerana no nahafantarana fa amin’izao fotoana izao, vokatry ny fifandonana teo amin’ny vohitra roa, marobe ny olona tsy mbola hita popoka, tsy fantatra na maty na velona. Tamin’io fifandonana io mantsy, maro ireo olona nandeha nandositra niala ny tanana. Tetsy andaniny, nisy koa ny fikarohana azy ireo. Ny vaovao farany fantatra moa dia ny hoe, efa tafiakatra hatrany amin’ny 35 ireo namoy ny ainy tamin’ity zavatra ity. etsy ankilany, mbola manao ny ataony ny malaso amin’ny fandrobana ataony na dia efa tonga any an-toerana aza ny mpitandro filaminana. Eo anoloan’izany, nandray fepetra ny avy amin’ny tompon’andrikitry ny fandriampahalemana fa hohalavaina 15 andro ny fotoana hijanonan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana manatanteraka ny hetsika “coup d’arrêt”.

Raha tsiahivina ny zavatra nitranga tany an-toerana dia nisy ny mpitandro filaminana sy mponina ary dahalo namoy ny ainy. Hatram’izao aloha dia eo amin’ny 128 eo ny namoy ny ainy. Mbola mety hiampy izany ato ho ato indrindra fa maro ireo olona izay tsy hita popoka nolazain’ny vaovao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser