Zavatra nampalehelo no niseho tany Andranofeno Atsimo, « Village communautaire » tamin’ny alakamisy faha-27 oktobra teo. Lehilahy roa no fantatra fa maty nilatsahan’ny varatra tamin’ny orambe nikija tamin’io andro io. Toerana eo amin’ny 140 km miala ny renivohitra ity nisehoan’ny loza ity. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mpiasa maro mpanamboatra trano no indray nilatsaham-potaka. Ankoatra ireo namoy ny ainy, dia 11 no naratra ary tsy maintsy nalefa tany amin’ny hopitaly Ankazobe nanaraka fitsaboana. Ny loharanom-baovao hatrany no hilazana fa avy any Andramasina ireo maty ary tonga tany ny fianakaviany naka ny razana. Efa maro ny olona nifindra monina any amin’io toerana io. Voalazan’ny vaovao fa tsy nisy naratra kosa izy ireo fa niheren-doza. Efa raisin’ny minisiteran’ny Mponina an-tanana ny fikarakarana ireo naratra.
Tsiahivina fa ity tanana Andranofeno ity dia ipetrahan’ireo fianakaviana tsy nanan-kialofana taorian’ny tondrandrano niseho tamin’ny taona 2015. Maro ireo olona nazoto nandeha tany. Nisy koa anefa, soa ihany fa vitsy, ireo nitsoaka an-daharana. Ny minisiteran’ny Mponina sy ny avy ao amin’ny PAM no nanome tanana an’ireo olona nandeha an-tsitrapo tany Andranofeno. Ireo izay monina any dia mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Misy sekoly, fitaizana zaza madinika, CEG ary trano fitsaboana any. Efa tafapetraka ny tsena. Raha vao nahare ny vaovao ny minisitry ny Mponina Onitiana Realy dia nidina tany an-toerana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, nampahery ny rehetra.
nangonin’i r.s.