Mafampana indray ny raharaha ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra, amin’ny kaominina antsoina hoe Andranofotsy. Araka ny angom-baovao marim-pototra avy any an-toerana dia tezitra mafy amin’ny ben’ny tananany, Atoa Totomanambina Zito, ny mponina ao amin’ity kaominina Andranofotsy ity, ka mandeha ny feo ankehitriny fa hiditra amin’ny fitsaram-bahoaka an’ity ben’ny tanana ity izy ireo noho ny famarotany tanim-bahoaka tao Ampariambe. Nohamafisin’ireo zanak’ity kaominina ity monina eto Toamasina nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao Ankirihiry koa izany, izay nilazan’izy ireo fa “efa tena miakatra ambony ny maripana ao amin’ny fokontany misy anay Andranofotsin’i Maroantsetra noho ny famarotana tany nataon’ny ben’ny tanananay any an-toerana tao Ampariambe, izay tany misy ny ankamaroan’ny fasan-drazanay”; mbola nohamafisin’ireo zanaka ampielezan’ny kaominin’Andranofotsy monina eto Toamasina ireto hatrany fa “mirefy 03km2 eo ny haben’ity tany namidin’ny ben’ny tanana ity, izay misy ihany koa ny fiveloman’ireo mponina ao aminay, ary misy ala ahitana ireo hazo sarobidy koa ao anatiny. Isan’ny betsaka amin’izany ny andramena sy ny hintsina ary ny pallisandre”. Araka ny fanazavana hatrany dia efa nisy ny hetsika fanairana nataon’ny mponina tany an-toerana mba hiverenan’ity ben’ny tanana ity tamin’ny zavatra nataony ny 25 sy ny 26 aprily lasa teo, saingy nanao be marenina ity ben’ny tanana ao Andranofotsy fa hoe manana olona eo amin’ny fitondrana miaro azy amin’izao famarotana tanindrazana sy tanim-pasan’ny mponina izao. Araka ny fanazavana azo dia voalaza fa namidin’ity ben’ny tanana 300 tapitrisa ariary ity tany goavam-be any an-toerana ity. Vokany, manao antso avo ny hijeren’ny manam-pahefana ao Maroantetra sy ny faritra Analanjirofo ary ny fanjakana foibe izao raharaha izao, satria mety hiteraka faty olona mahatsiravina sy maro ao amin’ny kaominin’Andranofotsy izao raharaha izao raha ny zava-misy.
Malala Didier