Jiolahy miisa sivy nitondra basim-borina sy zava-maranitra no tonga nanafika tany amin’ny tanàna antsoina hoe Andaranolava, fokontany Anosikely, any amin’ny kaominina Tsararano, ato anatin’ny Disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’izany ny Alakamisy 21 Febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna voalaza etsy ambony ireto jiolahy ireto. Sady nanapoaka basy izy ireo no nitsioka kirorioka no noentina nandemena ny olona teo an-tanàna. Rehefa nahare ny fipoan’ny basy sy ny fanafihan-dahalo, ilay renim-pianakaviana iray antsoina hoe” Vaincent” tokony ho 28 taona eo, dia nivoaka ny tranony. Ka teo no nahavoatifitra azy. Ireo jioalahy kosa tetsy an-daniny nandroba ireo omby tao am-bala, ka lasan’izy ireo nandritra izany ny omby miisa folo. Tsy naharitra ela izy ireo, fa nitsoaka nandositra avy hatrany rehefa nahazo ny omby. Efa nanomboka taitra ny teo amin’ny manodidina raha nandre ilay feom-basy sy nahita an’ilay rangahy tompon’omby nitsirara teo amin’ny tany. Tonga ihany koa ny mpitandro ny filaminana raha vao nampandrenesina ary tsy ninadry ela fa niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Efa lasa lavitra anefa ireo ka tsy nisy tratra intsony. Ilay rangahy voatifitra kosa nezahan’ny fokonolona noentina namonjy hopitaly malaky, saingy tsy tany intsony ny ainy noho tifitra nahazo azy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hamin’izao.
Ratantely