- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomadio Toamasina : Nahitana tovovavy 15 taona nananton-tena

Andranomadio Toamasina : Nahitana tovovavy 15 taona nananton-tena

An-dranomaso ireo ray aman-drenin’ity tovovavy vao 15 taona hitan’ny olona nihantona tamin’ny tady tao Andranomadio P/elle 11/43 Toamasina ity, ny marainan’ny sabotsy teo, raha nahita an-janany nihantona tamin’ny tady. Tsy fantatra mazava ny anton’ilay famonoan-tena, fa araka ny tenin’ireo olona manodidina sy ny ray aman-drenin’ilay tovovavy maty, dia manana olona ara-pitiavana ilay tovovavy, sy manana olana ara-piaraha-monina koa vokatr’izany, ka tsy mahita hevitra intsony izy hamahana izany, ka izao famoanan-tena izao no hitany ho vahaolana. Ao anatin’izany anefa dia efa tonga teny ny mpitandro ny filaminana nanao fanadihadiana mikasika izany, mba hamantarana marina fa famonoan-tena ny raharaha, satria ny mahagaga ireo nahita ilay olona voalaza fa namono tena dia mifanakaiky amin’ny fototr’ilay hazo nanantonany tena izy. Ho hita eo ny  tohin’ity raharaha ity…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici