- Publicité -
mercredi, novembre 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranomadio Toamasina : Nitrangana haitrano vao maraina

Andranomadio Toamasina : Nitrangana haitrano vao maraina

Trano fiompiana akoho mpanatody lava sy  fakana nofony tao Andranomadio parcelle 11/42 no niharan’ny famaizana vao maraina tokony tamin’ny 08ora sy 15min. Tao anatin’ny fanombohana ny asa tanamaro izay niarahan’ny kaominina sy ny ministera ny mponina no nitranganizany fahamaizana izany. Tonga aloha ny sampana mpamonjy voina sy haitrano ny kaominina, saingy teritery ny toerana makeny amin’ilay fitrangan’ny fahavoazana ka teny amin’ny 70m tany ho any izy ireo niantsona ka nampiasa ny fantsona lavabe ny sampana mpamonjy voina sy haitrano izy ireo. Nandritra ny fahamaizana dia trano lava be iray misy mpanofa manana efitra efatra no kila forehitra sy trano iray misy fiompiana akoho mpanatody lava sy fakana nofony ihany koa. Araky ny filazan’ireo olona tratran’izany fahamaizana izany dia kaontera nipoaka no nahatonga ity firehetana, na samy manana ny kaonterany azy ireo mpanofa trano sy ireo mpiompy, hoy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina sy haitranon’ny kaominina. Fantatra fa ahoko 150 teo ny may kila nandritra izany sy fiaovana fampangatsiahana  maro koa no potika kila tao anatin’izany. Saika nanao ilay asa tanamaro nokarakarain’ny fanjakana sy ny kaominina ireo olona tamin’ilay trano mihofa, ka dfikoropahana ny azy ireo nahita izany mba hamonjy ny entana tao an-trano fa tsy nisy avotra intsony izany ny hamafin’ny afo. Nanao izay hafany amin’ny fanavotana ireo trano manodidina sy ilay trano efa niretra ny mpamonjy voina sy haitrano, ka ny farany maty ihany ny afo ora vitsy taoriany ny firehetany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici