Tovovavy iray 20 taona no maty teny amin’ny hopitaly be noho ny ratra sy fanolanana nahazo azy. Feno dian’antsy nandritra izany. Tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina, ny talata 30 marsa teo, no tonga teny amin’ny hopitaly be ny filoham-pokontanin’ny P/elle 11/42 Andranomadio Toamasina, nitondra ity tovovavy ity noho ny faharatrany mafy. Ny talata io ihany tokony ho tamin’ny 10 ora alina dia nilaza ny mpitsabo fa tsy avotra ny ainy ka nafindra teo anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly ny fatiny. Raha ny angom-baovao natao dia nisy nanendaka ity tovovavy ity ny alin’io talata io. Teo an-tsapanan’ny lalana mihazo ny “carreau 04” amin’ity fokontany ity izy no hitan’ny fokonolona nitsirara tamin’ny tany. Tamin’ny fitondran’ny filoham-pokontany azy teny amin’ny hopitaly dia tsy nisy na inona na inona teny aminy ary tsy nisy ny taratasy nahalalana ny momba azy mihitsy. Ireo mponina manodidina ihany koa samy nilaza fa olona tsy fahitan’izy ireo eo amin’ny fokontany misy azy ireo ilay tovovavy, fa tena olom-baovao amin’ny fokontany mihitsy. Tsy nisy aloha ny taova tsy hita taminy, fa ny fahitana ny dian’antsy maro amin’ny vatany sy ny trangana fanolanana taminy no miteraka horohoro amin’ny mponina manodidina rehetra ankehitriny. Ity fokontany ity izay tafiditra amin’ny fokontany mena amin’ny tsy filaminana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina, saingy tsy mety foana izany noho ny fokontany midadasika sy maizina, ka tsy afa-manaotra ny mpitandro ny filaminana manao ny fisafoana matetika amin’ny alina. Ankoatra izay, ireo andrimasom-pokonolona miaro ny tanana amin’ny tsy filaminana ihany koa tato ho ato izany dia misy andian’olona mandrahona ho faty avokoa amin’ny finday sy taratasy manidina. Nampitsahatra ny fanaovana izany asa izany izy ireo noho ny tahotra an’ireo andian-jiolahy mandrahona azy ireo sy ny fianakaviany.
Malala Didier