- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomadio Toamasina : Tovovavy namaky trano, nosamborin’ny polisy

Andranomadio Toamasina : Tovovavy namaky trano, nosamborin’ny polisy

Hafa kely ity tranga na vaky trano tany Mangarano P/elle 11/47, satria ny mpanofa trano ihany no namaky izany tamin’ny fotoana tsy naha-tao ny tompon-tranony. Nisy fotoana tsy tao an-tranony ny tompon-trano ka nohararaotin’ilay tovovavy 21 taona ity novakiana izany. Raha ny fanazavana, dia nitsoaka niala tao amin’ilay fokontany 11/47 ity tovovavy, ka nifindra tany Andranomadio P/elle 11/43 . Rehefa tonga anefa ny tompon-trano nahita ny zava-nisy, satria ny entana rehetra tao an-trano mihitsy no nanjavona tamin’izay fotoana izay. Nitory teo anivon’ny polisy misahana ny boriborintany faha-02 tarihan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian ilay tompon-trano. Avy hatrany vao naharay ny fitoriana izy ireo, dia nanao ny hetsika tamin’ny fitadiavana ilay tovovavy 21 taona namaky trano ny tompon-tranony. Raha natao ny fikarohana dia tao Andranomadio no tratra ny tenany ary mbola teny aminy ireo entana sasany avy nangalariny. Raha ny fanazavana, dia niaiky ny vaky trano nataony ity tovovavy 21 taona ity. Niakatra fampanoavana androany ny raharaha araka ny fanazavana mba hamantarana ny sazy mety hoazony tamin’izao heloka vitany izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici