Efa tsy hitan’ny olona intsony ny ataony eto Toamasina amin’ny fiarovany ny fananany sy ny ankohononany, noho ny hafitsoka ireo andian-jiolahy amin’ny fanafihana sy famakiana trano mahazo vahana tato ho ao izay. Samy manana ny fomba ataony ny rehetra ao anatin’izany, fa ny an’ity fianakaviana iray tratran’ny vaky trano teto Toamasina dia nampiasany “GPS” vita gasy ny azy, tamin’ny fitondrana “mpimasy” mahay mitady ireo entana very amin’ny fampiasana ireny karazana hazo manokana. Tsy mponina ao Andranomadio P/elle 11/43 ireto olona mikaroka ny entany very ireto fa avy amin’ny fokontany hafa, fa ilay hazo “GPS” vita gasy no mitarika azy ireo ho tonga tao amin’ity fokontany ity nikaroka ireo entana very. Raha ny angom-baovao natao dia hitan’ireto fianakaviana nampiasa ity “GPS” vita gasy tamin’ny alalan’ity karazana hazo manokana ity ireo entany very sasany sy ilay mpamaky trano, ity farany izay nentin’izy ireo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Mbola misy ampahan’ny entana sasany kosa mbola karohina amin’izao resaka vaky trano izao. Mampahatsiahy ny raharaha fakana an-keriny nahazo an’i Annie sy Arnaud izao tranga izao, saingy tamin’izay tsy hitan’ity “GPS” vita gasy ity ireto ankizy ireto, na efa tao amin’ity fokontanin’Andranomadio io ihany aza no nentin’ilay “GPS” gasy ireo mpikaroka tamin’izany. Raha ny fantatra dia manodidina ny 400.000 ariary ny fakana ny tompon’ity “GPS” vita gasy ity
Malala Didier