- Publicité -
jeudi, mai 1, 2025
AccueilFaits-DiversANDRANOMAFANA : Lasa toerana fanariana maloto

ANDRANOMAFANA : Lasa toerana fanariana maloto

Mbola mitohy ary manao ny fanaony hatrany ireo olona manary tay eny amin’ny manodidina an’Andranomafana. Mbola tsy nisy iray volana akory izay no notanterina teto mahakasika ity fanariana maloto ao Andranomafana ity dia efa miverina manao ny hataony sahady ireo olona tsy fantatra manao ity fandoatoana tanana ity. Amin’ny alina no fotoana hanarian’ireo olona ny maloto, tanteriny amin’ny sarety kely , ary ataony anaty barila ny tay avy noloarany avy eo atsipy eny amin’ny toerana lobolobo  manodidin’Andranomafana eny. Tsiahivina fa efa nisy fotoana nahatratran’ny mpiambina azy ireo saingy tsy norasian’ny mpitandro filaminana an-tanana izay nanao fisafoana hoy ny fanazavana fa nanilika ny raharaha teny amin’ny BMH, ny andro anefa maizina ka tsy hitan’ilay mpiambina ny nanaovana azy ireo fa dia navotsotra. Efa nisy ny fitarainana nataon’ireo mponina eny amin’ny manodidina saingy tsy nisy valiny izany. Vao tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo izao no nisy nanary tay indray teo akakin’ny toerana fanasan’ny olona lamba. Velon-taraina ireo mpanasa lamba satria dia tsy laitra hiainana ny manodidina ary atahorana hiteraka aretina izany, tsipihina ihany koa fa dia feno mpivaritra hani-masaka eny amin’ny manodidina.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici