- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomafana : Nisy nikasa handoro ny dobo filomanosana

Andranomafana : Nisy nikasa handoro ny dobo filomanosana

Tsy tantareka ny fikasana saika handorana ny dobo filomanosana ao Andranomafana Antsirabe fa voavonjy malaky ny afo.

Tsy fantatra na sotasota na gafy tsotra izao fa dia nisy nikasa handoro ny dobo filomanosana Andranomafana ny faran’ny herinandro lasa teo. Toy ny efa mahazatra ireo mpitia fanatanjahantena  mpilomano dia  ny zoma maraina be no fotoana ifanomezana ao amin’ity dobo ity, amin’io mantsy vaovao ny rano ka mahasarika olona maro tokoa, dia ireo efa zatra, na dia ny hilona rano mafana  fotsiny ihany aza. Tamin’io fotoana io indrindra no sendra nisy mpilomano iray nahatsikaritra ny fisian’ny afo miredareda ao amin’ny trano fisoloana akanjo. Niantso ny tompon’andraikitra ity farany ary samy niezaka namono ny afo. Soa aloha fa mbola kely ny firehetana ka voafehy haingana ny afo. Raha ny fahitana ny zava nisy aloha dia fanahy niniana nodorana mihitsy ity dobo ity, teo amin’ny  “rideau”mantsy no nianga ny afo ary mbola nahenoana fofoana solika ihany koa tao amin’ny trano fisolona akanjo. Ankoatra izay, nodorana tamin’ny afon-tsigara koa ny sasantsasany tamin’ny “Rideau”, natao toy ireny kisarisary ireny.

Nampametra-panontaniana ny maro, indrindra fa ireo mpilomano, moa ity zava nitranga tao amin’ny dobo filomanosana ity. Mba fantatr’ilay nikasa handoro ve fa marary an-jatony maro no tsaboina ao amin’ity ivontoeram-pitsaboana ity,  ankaotra ny maha toerana fialam-boly azy ?. Mba tonga tao an-tsainy koa ve fa na ireo vahiny avy lavitra na avy an-toerana, na avy any ivelany  aza, dia maro no tonga eto, mandany vola aman-karena  hitsabo tena amin’ity toerana tokana eto amin’ny Nosy ity ? Tsetsatsetsa tsy aritra kosa  anefa no hilazana fa tsy maharaka ny filana  intsony raha ny fotodrafitra misy noho hakelezan’ny dobo.

Tonga teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana nanao fizahana saingy tsy fantatra na tratra ilay saika nahavanon-doza na tsia.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici