- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomahery : Tovovavy kely maty nisy nively...

Andranomahery : Tovovavy kely maty nisy nively tamin’ny « bois rond » misy fantsika

Afak’omaly alina, no nitrangan’ity loza iray ity  , teny amin’iny faritra Andranomahery iny. Araka ny loharanom-baovao voaray dia voalaza fa tovovaky kely , izay mbola tsy ampy  taona, no fantatra fa maty  , nisy nively tamin’ny “bois rond”   misy fantsika. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana  fa tsy fantatra mazava hatreto izay antony tena nivoahan’ity zazavavy kely ity , tamin’ny andro izay efa alina tokoa . Nisy moa ny nanambara fa efa andro miditra ny loza . Tsy dia mpivoaka alina mantsy izy ity ,ka teo nahatonga ny maro ho lasa saina , momba ity raharaha ity, izy rahateo mbola tsy ampy taona. Araka ny vaovao hatrany dia voalaza fa voavely mafy teo amin’ny lamosiny ity zazavavy kely ity. Fantatra mantsy fa feno mangana be tao amin’ny lamosiny , rehefa natao ny fizahana ny razana. Araka ny loharanom-baovao voangona hatrany dia , mbola nentina teny amin’ny hopitaly ihany ity tovovavy ity , vantany vao nisy namely  , saingy , omaly maraina kosa no tsy avotra intsony ny ainy. Ranomaso havozona ny an’ny fianakavina sy ny naman’ity tovovavy   vantany vao nandre ny vaovao ratsy. Mbola tsy fantatra aloha hatreto izay tena nahavanon-doza , na iza na iza fa mbola manao ny fikarohana ny fianakaviana amin’izazo fotoana izao.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici