Voarara ary tsy azo atao ny maka trondro ao amin’ny farihin’andranomafana na ranomaimbo no hamataran’ny maro azy eto Antsirabe. Fahasahiana anefa ny an’ireto olona 5 mianady, tsy tahotra sy henatra intsony fa dia manihika ampilaminana soamantsara ao Andranomaimbo ny Alarobia hariva teo, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Farihy maloto ny farihin’Andranomafana satria saika ao avokoa no mivarina ny maloton’ny olona manodidina eo, ao ihany koa no mifatratra ny loto avy ao amin’ny hopitaly Atsimo. Ankoatra izay ao ihany koa no mivarina ny rano maloto avy ao amin’ny fitsabona ao Andramafana izany hoe fiafaran’ny maloton’Antsirabe izany io farihy io nefa dia maro no maka trondro ao. Efa maro no voasambotra saingy ny tsy fisiana tokoa angamba mahazaka maniraka sahirana rahateo ny vahoka noho fiakaran’ny vidim-piainana. Isan’ny fanazavan’ireo voasambotra tamin’izany ny hoe ataony sakafo fa tsy amidiny. Tsy afaka ny hitoky amin’izany anefa fa misy ny milaza fa varotiny eny amin’ny faritra hafa ny trondro azony eo.
Mety hitera-doza ho an’ny olona ny fihinanana ny trondron’andranomaimbo noho izy feno loto, fantatra fa efa natolotra ho an’ny mpitandro filaminana ny fanaraha-maso azy ity ka antenaina fa hisy fepetra raisina ny amin’izany.
Andry N.