- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanalina : Mpangalatra moto sarona nampangain’ny GPS

Andranomanalina : Mpangalatra moto sarona nampangain’ny GPS

Ity tokoa no tonga amin’ny fiteny hoe, ataovy maranitra ihany ny atidoha vao manaotao foana. Tovolahy iray 25 taona no nosamborin’ny polisy teny Andranomanalina ny faran’ny herinandro rehefa avy nangalatra moto Kymko G5. Araka ny vaovao dia very nisy naka tao amin’ny tokantrano iray tetsy Isotry ity moto ity. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny tompony ary nilaza fa misy GPS io moto io. Niainga tamin’io fitaovana io ary ny fikarohana ka hita fa any Andranomanalina no misy ilay kodiarandroa very.  Nidina teny an- toerana ny Polisy avy amin’ny kaomisaria boriborintany faha-4 etsy Isotry ka tratra tao an-tokotanin’ity tovolahy voalaza etsy ambony ilay moto. Iry voalohany izay efa teo am-pandravana ilay moto no noraisim-potsiny. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahalalana fa olona efa nigadra teny amin’ny fonjan’Antanimora ity mpangalatra ity. Telo taona ny sazy noefainy tamin’izany nefa dia izao tra-tehaka mbola nanao asa ratsy izao indray.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici