- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanalina : Voatafika hatramin’ny mpivarotra saribao

Andranomanalina : Voatafika hatramin’ny mpivarotra saribao

Ny maraim-ben’ny zoma, manodidina ny tamin’ny roa ora no tonga nanafika tokantrano iray ny jiolahy manodidina ny efatra na dimy. Fivarotana saribao no lahasan’ny fianakaviana monina ao raha araka ny fanazavana azo. Tsy nisy na inona na inona azo natao satria norahonana avy hatrany ireo olona rehetra tao an-trano ary natao nihohoka tamin’ny tany mba tsy hahita izay zava-nitranga. Teo dia nanontany izay nisy ny vola ireo jiolahy no sady naka izay nilainy. Nanaram-po tanteraka ireo nisava ny trano iray manontolo. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia ny vola rehetra izay maty ny omalin’io no lasan’ireo olon-dratsy. Izany dia ankoatra ny entana tao an-trano izay mora nobataina. Raha tsiahivina dia vao tamin’ity faramparan’ny herinandro teo ihany koa no nisy nanafika, ary tamin’ny andro antoandrobe, ny teratany indopakistanais izay mpivarotra “sachet” amin’ny ambongadiny. Teo indray dia basy kilalao sy sabatra no nentin’ireo jiolahy nanafika. Nanjavona tamin’izany ny volabe izay manodidina ny 20 tapitrisa ariary raha araka ny filazan’ny voatafika tamin’ny mpitandro ny filaminana. Izany dia midika fa miverina mafampana indray ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny boriborintany iny. Faritra isan’ny mena izay mba efa nilamindamina nandritra ny fotoana maro, saingy manomboka miverina miha-sahy tsikelikely indray ny jiolahy, angamba noho ny maitso ahitra lalovana ankehitriny. Ny tsikaritra ihany koa dia miparitaka eny amin’iny toerana iny ny zava-maranitra azo anafihana sy anatanterahana hala-botry. Isan’izany ny sabatra izay amidy eny amin’ny sisin-dàlana aza indraindray. Isan’ny manamora ny fanatontosan’ny olon-dratsy ny asany izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser