Nisehoana fanafihana tao Merimiakatra Andranomanelatra Antsirabe II ny
alin’ny alahady 26 Janoary teo. Fianakaviana iray no notafihana andian-jiolahy miisa dimy lahy, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Tsy nisaron-tava ireo jiolahy, tsy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ihany koa fa baraminina nanapoirany ny trano sy vato no teny an-tanany, raha ny fanazavana voaray. Teo an-davarangana no niditra ireo olon-dratsy. Tsy nisy nahare ny fahatongavany ny olona, izay tao ambany rihana avokoa no natory. Rehefa tafiditra tao an-trano ry zalahy vao taitra izy dimy mianaka kely tao an-trano. Tsy nisy sahy nivoaka sy niantso vonjy intsony fa efa niatrana tao am-baravarana ny jiolahy. Ny vola avy hatrany no notakiany, nodarohan’ireo olo-dratsy ny raim-piankavina mba hamoaka ny vola tahiry tao an-trano, ary voalaza fa naratra mafy tokoa. Mpivarotra mantsy ireto niharan’ny fanafihana ireto, fantatra fa manodidina ny roa tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Nahavariana kosa ny nahare fa tsy nisy fokonolona nanampy ireo voatafika, asa noho ny fahatahorana angamba. Ny zandary indray no tonga aloha teny an-toerana. Efa misokatra ny
fanadihadihana.
Andry N.
Andranomanelatra : Dimy lahy nanafika, lasa ny 2 tapitrisa ariary
Articles qui pourraient vous intéresser