- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanelatra : Halatr’omby hafahafa, zanak’omby mbola tany an-kibo ihany no nalain’ny jiolahy.

Andranomanelatra : Halatr’omby hafahafa, zanak’omby mbola tany an-kibo ihany no nalain’ny jiolahy.

Nitrangana halatr’omby tao Bemololo Andranomaneletra, tsy toy ny fandre matetika ity tranga ity fa tena hafa tokoa.

Niteraka resa-be teo amin’ny mponina manodididna ity resaka halatr’omby tao Bemololo ity. Tsy asan-dahalo no niseho , ary tsy azo sokajiana ho rainizavona  koa fa zavatra hafa tanteraka. Omby vavy bevohoka efa hoteraka no nalain’ny jiolahy ny alin’ny Alarobia lasa teo. Tsy nisy nahare mihitsy ny nakan’ireo olon-dratsy ilay omby vavy be iray. Tsy nisy nahatsikaritra koa raha tsy efa maraina ny andro. Io maraina be io ihany dia nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona. Akory ny hataraina rehefa tonga tao amin’ny toerana antsoina hoe Antsahatanteraka fa io ny omby  fa tazana saingy omby efa maty mivalampatra. Rehefa notomorona dia samy gaga avokoa ny nanatry maso hoy ny loharanom-baovao fa ilay zanak’omby tao ankibon’ilay omby vavy ihany no nisy naka, niampy fen’omby iray, ny sisa navelany teo avokoa. Samy nilaza ny zava-pantany ny fokonolona, tao ny nilaza fa misy olona mila ireny omby tsy mbola vaky maso, tsy nahita masoandro ireny hanaovana ody gasy antsoina hoe “ masobe tsy mahita izany”. Samy nitovy fomba fijery sy eritreritra avokoa aloha ny mpanara-dia fa misy antony hafa mihitsy no nangalana ilay zanak’omby tsy mbola teraka ity fa tsy halatra hena toy ny fandre matetika akory.

Sambany no nahenoana halatra toy izao teto Antsirabe, fa rainizavona matetika no mpiseho indrindra amin’iny ilany avatr’Antsirabe iny.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici