Ny kaominina Andranomanelatra Distrika Antsirabe II izany no distrika faha-dimy nametrahana milina hanodina ny vokatra ao an-toerana.
Milina hanodina ny paona ho lasa ho “vinaigre de cidre” no nisitrahan’ny kominina Andranomanelatra. Raha tsiahivina dia isan’ny distrika efa nisitraka ity milina ity ihany koa tao Antsirabe voalohany
Isan’ny faritra mamokatra paoma betsaka indrindra ny Distrika Antsirabe II, maherin’ny 35.000 taonina isan-taona ny vokatra miakatra ka rariny raha ozinina mpanodina paoma no napetraka ao, tamin’ny alalan’ny ny tetikasa ODOF na “One District One Factory” no nametrahana ity ozinina ity.
Afaka manodina paoma milanja 500kg isan’ora sy mamoaka vinaigre de cidre 1000 litatra ity milina araky ny fanazavana.
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tao Andranomanelatra ireo milina ireo milina ireo. Niara dia tamin’ity fotoana ity ihany koa ny fanolorana taratasy koperativa Mitsinjosoa, TAFA, FIFAA ary ny TMF mariky ny fijoroan’izy ireo amin’ny ara-dalàna.
Efa natomboka tamin’ny herinandro lasa teo ny ny fifantenana ireo koperativa na mpandraharaha hitantanana ny orinasa ka haharitra 20 andro eo ny fiandrasana ireo antotan-taratasy ilaina amin’izany, marihina fa amin’ny alalan’ny “appel manifestation d’intérêt no hanataterahana azy ity.
Raha tsiahivina, efa handray ho enim-bolana izao no nametrahana ireo milina hanodina vokatra amin’ny distrika sasany toy ny distrika Betafo, Faratsiho, Antsirabe voalohany sy Ambatolampy. Miandrandra fatratra ny hisokafan’izy ireny tsy ho ela ny tantsaha satria mampitsiry ny fanantenan’izy ireo ny zavatra tahaka izao, hinoana fa hisy tohiny izy ity fa tsy zary ho fampanatena-poakaty.
Andry N.