Lasibatra amin’ny halatr’omby matetika ny ao amin’ny faritra avaratrakelin’Antsirabe iny dia ny manodidina an’Andranomaletra iny izany. Raha vao tsy ela akory zay no nitrangàna halatr’omby tao ka naheverezana reny omby be efa ho teraka dia izao nitrangàna halatra izao indray tao amin’ny fokontany Bemololo. Saika mitovitovy hatrany ny fisehon’ity halatra ity, mbola reny omby hatrany indray no lasan’ireo jiolahy. Asa izay nahazo ireo jiolahy tamin’ity na tsy zakany ny hena na ahoana fa dia tongotr’omby sy ny fe-ny ihany no nalainy rehefa novonoiny ny omby ary nevelany teo ny vata-beany sy ny hena rehetra. Raha ny fanazavana hatrany dia tsy dia mifanalavitra loatra amin’ilay toerana nahatina ilay reny omby be efa hiteraka voalaza etsy ambony ihany no nahitana ity omby farany ity. Ambaran’ireo mponina fa mety jiolahy iray ihany no manao ireo fanafihana misesisy ireo satria dia mitovy avokoa ny fitrangan’ny halatra ary lalana iray ihany no hizorany avy eo.
Raha ny fanazavana voaray moa dia ity karazana halatr’omby ity no tena manjaka amin’ny distrika Antsirabe faharoa iny.
Andry N.