Zary lasa andavanandron’ny vahoaka mihitsy ankehitriny ity resaka fitsaram-bahoaka ity eo amin’ny fiaraha-monina . Tsy misy resaka intsony na fiantsoana tompon’andraiki-panjakana fa dia daroka sy vono avy hatrany no mihatra amin’izay tratra.
Toy ny nitranga tao Amberobe, kaominina Andranomanelatra, omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora teo ho eo. Raha ny angom-baovao voaray dia miely ao amin’ny kaominina amin’izao fotoana ny resaka hala-jaza. Mifandraika amin’izay indrindra ny tranga, lehilahy iray tokony ho 40 taona eo ho eo no saika matin’ny fitsaram-bahoaka io maraina io fa noheverin’ny olona ho mpangala-jaza. Vehivavy iray mantsy no avy hatrany dia notolominy an-keriny. Tsy fantatry ny olona rahateo fa tsy dia salama saina ity ranamana ity.
Toy izao ny fisehon’ny tranga : noteren’ity lehilahy ity ny reniny, izay efa tena osa tokoa, hitady vady ho azy, fa raha tsy izay dia izy tenany mihitsy no hitady. Lasa tokoa ranamana nivoaka ny trano ary hitady vady no anton-diany. Vehivavy iray no tazany ary nolazainy fa mety aminy ka avy hatrany dia niantsapazany sy notolominy teo imasom-bahoaka. Taitra ny olona raha nahita ny fihetsik’ity rangahy ity ka vetivety foana dia vory ny vahoaka, ilay vehivavy raheteo niantso vonjy. Nodarohan’ny vahoaka ilay rangahy ary tena naratra mafy tokoa, saika afaka hatramin’ny ainy. Soa fa tonga aloha ihany ny zandary nandravona ny raharaha ka nisambotra ilay rangahy. Tamin’ny fanadihadian’ny zandary no nahafantarana fa hay tsy dia salama saina loatra ity ranamana ity. Hitady vady no nivoahana kinanjo ny aina no siaka nanefa.
Andry N.