Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no niseho tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Taksibrosy iray nitondra fianakaviana handeha hamonjy lanonana no nodomina kamiô, tao Andranomanelatra. Vokany lehilahy iray no maty tsy tra-drano, raha am-polony kosa ireo naratra mafy. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, raha iny nizotra tsara nihazo ny làlana nianatsimo ity ireo mpianakavy ireto no nisy kamiô nipoitra tampoka, nanapaka ny lalan’izy ireo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nisy iray hafa, teo an-dalam-pisongonana mihitsy. Afaka tamin’ny loza ilay nisongona, saingy tsy afa-bela kosa ilay taksibrosy. Mafy ny fifandonana. Nijininika ny rà. Potika tsy nisy noraisina ihany koa ity fiara voadona. Nifamonjena nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ireo niharam-boina. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana, nijery ny zava-nisy sy nandamina ny fifamoivoizana. Fantatra araka izany fa notazomin’ny zandary ilay mpamilin’ilay kamiô, namoa-doza.
m.L