Mampihorohoro indray ny zava-miseho sy ny fanafihan-jiolahy ankehitriny raha ny eto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka tato ho ato izay. Lehilahy iray antsoina « Dafe » no lasibatr’izy ireo tamin’ny faran’ny herinadro lasa teo, tao amin’ny fokontany Andranomangatsiaka, ato amin’ny kaominina ambonivohitra Maevatanàna, tokony ho tamin’ny valo ora alina teo no nisehoan’izany. Tokantrano iray no lasibatra ny asa ratsy tao amin’io fotoana io. Ka naratra voatsatoka antsin-dry-zalahy, tamin’ny kibony ny tompon-trano. Raha ny fampitam-baovao voaray tamin’ny telem-paritry ny filaminam-bahoaka eto Betsiboka dia, jiolahy miisa dimy tsy nisy nanao saron-tava ary nitondra basy kilalao sy zava-maranitra no tonga nanao ny asa ratsy teny min’io fokontany voalaza etsy ambony io. Nanao izay fomba nahafana niditra tao an-trano ireo olon-dratsy vantany vao tonga. Tsy nisy nahita ny fidiran’izy ireo, ka niditra an-tsokosoko tao an-trano. Taitra ny tompon-trano raha naheno ny fidirana tampoka tao, ka teo no nahavoatsatoka antsy azy teo amin’ny kibony no sady voambana basy kilalao. Niezaka niantso vonjy ihany hono ramatoa vadin-dralelahy naratra, fa noheverin’ny teo amin’ny manodidina fa mpivady miady izany ka tsy nahataitra ny olona. Tampoka tamin’izy mivady ny zava-niseho ka tsy afaka niaro tena ireto farany. Raha ny fanazavana azo hatrany dia tsy nandroba ny mpanao fanafihana, fa ny ain’ilay lehilahy mihitsy no tian’izy ireo nalana. Rehefa nahazo antso ny mpitandro ny filaminana, na dia efa ho antsasakadiny aza vao nampandrenesina, dia tonga nanao ny fizahana ifotony tany an-toerana, hoy hatrany ny lehiben’ny filaminam-bahoaka eto Maevatanàna. Ilay lehilahy voatafika kosa voatery nentina niakatra any Antananarivo hanaraka fitsaboana, satria tsy misy fitaovam-pitsaboana mifanaraka amin’ny ilainy ny eny amin’ny hopitaly be Morafenokely Maevatanàna raha ny vaovao voaray farany. Mitohy hatrany kosa ny famotorana ataon’ny polisy.
Ratantely