- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranomena : Fiara voaroba teo an-tokantanin’ny tranombarotra

Andranomena : Fiara voaroba teo an-tokantanin’ny tranombarotra

Iza tokoa moa no hanam-po hoe eny an-tokontanin’ny tranombarotra iray, misy mpiambina sy « camera de surveillance » dia mety ho mbola ho lasibatry ny  olon-dratsy ihany ? Kanefa dia izany no nahazo ity vehivavy iray, tetsy Andranomena ny herinandro lasa teo. Handeha hividy zavatra tao amin’ity tranombarotra iray teny an-toerana ny tenany, ka raha vantany vao nivoaka ny fiarany izy ary tafiditra tao amin’ilay toerana alehany no nitsofoka tao anaty ny fiarany ny telo lahy. 

« Nandritra izany indrindra no nanararaotan’ny lehilahy telo nidirana ary norobaina ny fiaran’ity farany izay nahaverezana poketra nisy vola sy firavaka ary taratasy maro », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Nihevitra ny tsy ho tratry ny aloka ireto olon-dratsy teto. Tsy nisy nahatsikaritra rahateo ny asa ratsy nataony. Ny tsy fantatr’izy ireo dia nisy « camera » soa aman-tsara, mandrakitra an-tsary ny asa ratsy nataony.

Iny handeha hiditra ny fiara iny moa ilay ramatoa vao nahita fa ny fahabangana tao anaty fiara.  Rehefa nisy ny fitairanana nataon’ilay lasibatra dia nandray ny andraikiny avy hatrany ilay tompon’ny fivarotana, nijery ny raki-tsary, voatahirin’ny « caméra de surveillance ». Hita nivantana teo ny tarehin’izy telo lahy. Nampandrenesina avy hatrany ny polisy, ary nanaparitaka ny vidéo tao anaty tambajotra. Tsy ela tamin’ny fikarohana ireto olon-dratsy ihany koa ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana heloka bevava, sakelika fahatelo. Ny faran’ny herinandro teo no voasambotra tetsy Andranomanalina ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Teny Tsimbazaza kosa, fotoana vitsy taorian’izay ny anankiray. Ilay iray naman’izy ireo sisa mbola karohina araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany. « Nandritry ny fanadihadiana dia fantatra fa efa fanaon’izy ireo ny mangalatra anaty fiara toy izao ary efa nisy horonan-tsary nahitana azy ireo ny taona 2021. Niaiky ny heloka vitany ireto roa lahy ireto, mbola mitohy ny fanadihadiana » hoy hatrany ny fampitam-baovao.

Efa tsy atao mahagaga intsony moa ny fisian’ireny tranga ireny. Ary ny loza dia mazàna tsy vitan’ny mandroba intsony ry zalahy fa tena manafika eny am-pandehana mihitsy. Mazàna moa, raha ny fitarainana re etsy sy eroa, dia saika ireo vehivavy mitondra fiara ary mandeha irery no tena lasibatra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici