Ny talata hariva teo no niseho ny loza, teny amin’iny faritra Andranomena iny. Lehilahy iray manodidina ny 52 taona no namoy ny ainy, sempotry ny rano, rehefa latsaka avy teny ambony tetezana, tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany teo ho eo. Raha ny filazan’ireo manodidina dia somary maizina ilay làlana, ka tamin’izay indrindra no nampisolifatra ilay rangahy ka latsaka tao anatin’ilay rano. Taorian’ireny ora-mikija vokatry ny andro ratsy ireny dia niakatra ary somary nahery ilay rano. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana, fa nisy nahita ny nilahatsahan’ity rangahy ity tao anaty rano. Niantso vonjy ity farany, saingy indrisy fa efa natelin’ny rano ilay rangahy. Nipoitra indray mandeha ity niharam-boina ity, avy eo dia nilentika tsy hita intsony, raha ny fanazavana azo. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana nikaroka ity rangahy ity. Ora maromaro taty aoriana, teo amin’ny 10 ora alina mahery teo vao hita natsingevan’ny rano ny razana. Natolotra ny fianakaviany tonga teny an-toerana avy hatrany ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity.
m.L