Raim-pianakaviana iray 56 taona, monina eny Varavarankazo no maty an-drano tetsy Andranomena Ambohimanarina, omaly antoandro tamin’ny 11 ora tany ho any. Nisasa teo amin’ny rano mihandrona amin’ny tanimbary tsy lavitra ny digue fiantsonan’ny taksibe 194 sy 159 ity rangahy marary saina sy taizan’ny androbe ity, no nibolisatra tampoka, ka nianjera tao anaty rano, ary sempotra tao. Ny tongony no sisa hitan’ireo mpanjono tery ampita izay niezaka niantso vonjy, nefa tsy nisy olona nandalo tamin’io fotoana io. Tara loatra ny famonjena azy ka vatana tsy nisy aina intsony no nakarina avy tao anaty rano. Tonga teny an-toerana nanadihady sy nijery ifotony ny zavanisy ny mpitandro filaminana. Tamin’ny fotoana nialanay teny an-toerana omaly tolakandro (2h15), dia mbola tsy tonga ny BMH hizaha ny razana, ka nampimenomenona ny fianakavian’ny maty izay haka ny razana, satria efatra ora be izao no niandrasan’izy ireo izany.
Eric Man