- Publicité -
dimanche, octobre 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena : Lehilahy hita faty tao anaty rano

Andranomena : Lehilahy hita faty tao anaty rano

Manodidina ny 40 taona ary tsy fantatra anarana. Ny fatiny no hitan’ny olona vao maraina teo amin’ny fokontany Avaratetezana-Andranomena. Maty tao anatin’ny tanimbary nisy rano izy. Avy rahateo ny orana ny alin’ny alarobia teo ka samy niakatra avokoa ny rano teny an-tanimbary, ary tao izy no hita nitsingevana vao maraina. « Efa nisy nahita ihany io olona io ny omalin’ny nahafatesany. Namono tena teo tao amin’ny rano an-tanimbary izy saingy nisy nahita ka nanavotra azy. Nilaza ho monina ao Andranomena ary naterina hatreny amin’ny bus mankeny. Teo izy no hita farany dia io nisy nahita vao maraina io indray omaly, saingy efa tsy nisy aina intsony », raha araka ny fanazavan’ny sefo fokontany, Ramatoa Todisoa. Raha ny re teo an-toerana dia efa namoy fo imbetsaka ilay lehilahy. Nisy fotoana izy, raha ny fitantaran’ny olona, nitsambikina tao ambany fiara mandeha saingy avotra ihany. Afak’omaly indray izany dia nisafidy ny ho maty an-drano, saingy nisy nahita ary tsy tontosa izany. Mety ho niverenany tsy moramora rehefa nilamindamina teo an-toerana ary dia io maty an-drano io. Na izany aza dia nisy ny fanadihadiana nosokafana noho ny fisian’ny fahafatesana. Napetraka teo an-tsisin-dàlana ny razana mandra-pahatongan’ny manam-pahefana mpijery ifotony ary naterina teny amin’ny tranom-paty avy eo, satria tsy nisy nahafantatra. Omaly dia nanao antso avo ny fokontany ny mba hitsidihan’izay mety ho havany ny tranom-paty.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici