- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena : Lehilahy nahatratrarana fonosona rongony lehibe

Andranomena : Lehilahy nahatratrarana fonosona rongony lehibe

Efa saika handeha hitsoaka ity lehilahy iray ity, raha nosakanan’ny pôlisy tetsy amin’iny faritra Andranomena iny, ny faran’ny herinandro teo. Nahamailo tanteraka ireto mpitandro filaminana mantsy ny fihetsiny teny ambonin’ny bisikileta izay nandehanany. Rehefa nosavaina tokoa ny lehilahy dia nahitàna fonosana rongony lehibe tany aminy. « Isaky ny faran’ny herinandro dia manao fisafoana mitety ireo toerana fantatra fa fifohan’ny olona rongony ny pôlisy. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro,nandritra ny fotoana nandalovan’izy ireo teny amin’ny faritra Andranomena dia nifanena tamina lehilahy iray, 23 taona, nitondra bisikileta ary nisarakorako volo ny Polisy. Nosakanana ity farany raha saika handositra, ka rehefa nosavaina ny kitapo izay teny aminy dia nahitana fonosana selofana iray feno rongony. Nentina teo anivon’ny kaomisaria avy hatrany izy mba hanaovana fanadihadiana azy. Niaiky moa izy fa tena azy io rongony sahabo ho 200 grama io » hoy ny vaovao. Araka ny fantatra dia namany monina eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny no nanome azy io zava-mahadomelina io. Natolotra ny Fampanoavana omaly moa ity mpidoroka ity ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici