- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena : Mpanendaka mampiasa scooter

Andranomena : Mpanendaka mampiasa scooter

Manao taingin-droa izy ireo ary manao sinto-mahery. Ireny vehivavy mitondra poaketra ireny no tena ataon’ireo lasibatra. Toy izay nitranga ny asabotsy lasa teo. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany no nitranga ilay asa ratsy. Nandeha mafy ny scooter ary rehera nifanandrify tamin’ilay ramatoa dia nihena kely ny hafainganam-pandehany ary vao nifanandrify tamin’ilay olona dia nosintomina tamin’izay ny entana natao lasibatra. Poa toa izay dia vita ny asa ratsy ary olona efa tohina sy nitomany sisa no hitan’ny mpandalo. Haingana dia tsy hita ny nanjavonan’ny kodiaran-droa sy ny mpitaingina azy ary toa ireny olona efa niofana tamin’ny sinto-mahery sy ny fitsoahana anaty fitohanana ireny ireo olon-dratsy. Manaratsy endrika ny mpitaingina moto ny toe-javatra toy izao. Ankoatra ny fifandiran’ireo matetika amin’ny mpamily fiara noho ny olan’ny fifamoivoizana dia izao koa misy mety mieritreritra fa mpangalatra daholo ny mpandeha kodiaran-droa. Tranga iray izay mbola manamafy ny toy izao ny tokony hanasiana laharana hamantarana ireny kodiaran-droa scooter ireny. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizana izay matetika hitsoahan’izy ireny mantsy dia izao koa misy ny olon-dratsy mampiasa scooter. Mora loatra ny fanafenana heloka ao ambadik’ity fitaovam-pitaterana ity vokatry ny tsy fisian’ny laharana hamantarana ny tompony.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici