Saika ny ainy no nanefa. Mpangalatra bisikleta iray no niharan’ny hatezeram-bahoaka ny alarobia teo teny amin’iny faritra Andranomena iny. Soa fa nalaky tonga ireo pôlisin’ny boriborintany fahenina, rehefa nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo. Araka ny fantatra dia nentin’ity lehilahy ity nitsoaka ny bisikletan’olona. Natao ny fifanenjehana ka tratra teny Andranomena ranamana. Efa leo an’ity tsy fandriam-pahalemana lavareny ity moa ny olona ka dia nanampatra ny hatezerany tamin’ity lehilahy ity. Naratra be ny lehilahy ary voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana talohan’ny nitondra azy natao fanadihadiana. Fa ny andron’io hatrany, tovolahy iray no voasambotry ny pôlisy hatrany raha teo am-pangalarana findain’olona tao anaty taxi-be. Finday avolenta marika “iphone 7” araka ny filazan’ny tompon’andraikitra voalohany misahana iny faritra iny no lasan’ity tovolahy ity. Nifanenjehana avy hatrany ny tovolahy ka tsy lasa lavitra akory dia tratra. Tamin’ny fisavàna natao azy, hoy hatrany ny fanazavàna, no mbola nahitana fonosana rongony tany aminy. Efa naverina amin’ny tompony moa ity finday ity. Atolotra ny Fampanoavana anio kosa ireo mpangalatra ireto. Nanamafy hatrany ireo pôlisy fa miezaka hatrany izy ireo manatona ny vahoaka. Tsy tokony hisalasala araka izany ireto farany hiantso azy ireo ara-potoana raha misy tranga miseho. Raha ho an’ity faritra Ambohimanarina iny sy ny manodidina dia ny laharana 034 05 998 38 no azo antsoina.
m.L