- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena : Mpitondra moto maty tsy tra-drano, tafisitrika tany ambany kamiao

Andranomena : Mpitondra moto maty tsy tra-drano, tafisitrika tany ambany kamiao

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tetsy Andranomena. Môto iray no nidona tamin’ny kamiao  « semi remorque » ny faran’ny herinandro lasa teo. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nitondra ilay kodiaran-droa.

Tokony ho tany ho any amin’ny enina ora hariva tany teo no nitranga ity loza mahatsiravina ity. Araka ny fampitam-baovao azo dia samy handeha hizotra ho any Ambohibao avokoa, na ilay kodiaran-droa na ity fiarabe. Heverina araka izany fa mety ho nikasa hisongona ity farany ilay mpitondra môtô, kanjo tsy nahavita izay ary io nifatratra sy tafasitrika tany ambaniny io, rehefa voarain’ny kodiarana. Mafy dia mafy moa ny dona, araka ny voalazan’ireo nanatri-maso. Potika tanteraka ilay môtô, ary voatetin’ny kodiarana kosa ilay lehilahy nitondra azy. Namoy ny ainy teo ho no eo, araka izany, ity farany. Tonga teny an-toerana nanatanteraka ny fizahana ifotony moa ireo mpitandro filaminana. Nitondra ilay mpamily, nentina natao andrimaso sy fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Ny vatana mangatsiakan’ilay mpitondra « scooter » kosa, naterina avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly Hjra Ampefiloha.

Fa amin’izao resaka fiara sy kodiaran-droa izay ihany, nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana ihany koa tetsy amin’ny lalam-baovaon’ny Frankôfônia, omaly. Tranga niseho tao ambadiky ny tsena lehibe iray teny an-toerana. Fiara iray handeha hivily tampoka no nahadona môtô « scooter », handeha hisongona azy teo amin’ny an-kavanana. Voalazan’ireo nanatri-maso fa tampoka ny fivilian’ity fiara ity ary tsy nandefa ireo jiro famantaram-piviliana akory izy. Mafy moa ny fifandonana ary nipitika sy tavela teo ambonin’ny « capot »-n’ilay fiara, ilay lehilahy nitondra ilay kodiaran-droa, naratra mafy vokatr’izay. Nentina nihazo toeram-pitsaboana haingana teo no ho eo ihany ity farany. Efa tazana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana nanao ny fizahana rehetra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici