Sokatra miisa hatrany amin’ny 229, ka ny 11 efa maty, indray no saron’ny zandary tao an-tranon’olona teny Andranomena, ny alarobia lasa teo. Olona roa no tazonina taorian’izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tamin’ny fisavana natao no nahitana ireo biby ireo. Ezaka lehibe no vitan’ny tomponandrikitra misahana ny fiarovana ireny biby harovana ireny. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa nalaina avy amin’ny faritra atsimon’ny nosy ireo sokatra ireo ary amidy varo-maizina,eto an-toerana ihany. Vahiny no voalaza fa mandray azy ireny, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana.
Tao anatin’ny herinandro, mpanao trafikana sokatra tamin’ny toerana roa samy hafa no sarona. Ny voalohany dia tamin’ny faha-22 septambra teny Antaninarenina. Olona dimy sy ny mpiray tsikombakomba aminy no nosamborina ary efa nalefa vonjimaika any am-ponja. Amin’ny faha-8 novambra ny fitsarana azy ireo no ho tanterahina. Ny faharoa dia ireo tratra teny Andranomena ireo.
r.s.