- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena-Tolagnaro : Mpandraharaha iray sy ny vadiny nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky

Andranomena-Tolagnaro : Mpandraharaha iray sy ny vadiny nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky

Ilay lehilahy nentin’ny dahalo an-keriny ary maty novonoin’izy ireo avy eo (sary : Haja )

Mahatsiravina tanteraka ny zava-mitranga any amin’iny distrikan’i Tolagnaro iny. Mpandraharaha iray, niaraka tamin’ny vadiny sy ny tanan-kavanany iray no lasibatry ny asan-dahalo ny alahady maraina lasa teo. Naratra mafy vokatry ny vono nahazo azy moa ilay rangahy sy ny vadiny. Ilay mpiasa tanan-kavanan’izy ireo kosa nentin’ireo dahalo natao takalon’aina ary notaperin’izy ireo tany ny ainy. Tebiteby andro aman’alina no iainan’ireo mponina any amin’iny faritra Anôsy iny, indrindra fa ny ao amin’ny distrika renivohitra, ny ao Tolagnaro. Raha vao tamin’iny herinandro iny no lasibatry ny dahalo ny toeram-pitsaboana iray, ny alahady lasa teo tokoa dia mpandrahara iray any amin’iny faritra iny indray no niantefan’ny asa ratsin’ireto malaso ireto. Tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Andranomena, ao amin’ny kaomina Mahatalaky, tokony ho eo amin’ny 45km miala ny tampon-tanan’i Tolagnaro no nitranga ity fanafihan-dahalo mahery vaika ity. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny namana any an-toerana dia nisy tsena teo amin’io toerana io ny sabotsy lasa teo. Mpandraharaha iray ihany no tompon’ireo fiara mpitondra entana tany amin’izany faritra izany. Tamin’io fotoana io dia voalaza fa efa lasa ny kamiao efatra fa ny roa sisa no tratra alina tamin’ny fampiakarana entana ka voatery nandry teo amin’ilay toerana, niandry ny ampitso. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no tonga ireo andian-dahalo nirongo fiadiana. Marihana fa ilay mpandraharaha niaraka tamin’ny vadiny sy ilay tanan-kavanany sisa no tratran’izy ireo teo. Avy hatrany dia ity farany no nifandritahan’ireo malaso, satria nitondra basy. Nitady ny vola rehetra kosa avy ireo jiolahy, izay fantatr’izy ireo fa notazomin’ilay ramatoa. Ity farany, raha ny vaovao azo hatrany dia efa nandeha niafina tao ambanin’ny iray tamin’io kamiao saingy mbola hitan’ireo olon-dratsy ihany. Vokany, naratra mafy vokatry ny kapa famaky nataon’ireo olon-dratsy azy ilay ramatoa. Voa teo amin’ny lohany sy teo amin’ny tendany. Ilay rangahy vadiny ihany koa nahazo toraka izay. Nandriaka ny ra teo an-toerana saingy mbola nisy aina ireto mpivady ireto ka afaka niantso vonjy. Nentina nihazo toeram-pitsaboana haingana moa izy ireo. Tetsy andanin’izay dia fantatra fa nentin’ireo olon-dratsy an-keriny nataon’izy ireo takalon’aina ilay mpiasa mahafatra-po an’ireto mpivady ireto, niaraka tamin’ny vola azon’izy ireo. Indrisy moa fa dia vatana mangatsiaka sisa no hitan’ireo fokonolona rehefa niezaka nanara-dia izy ireo, ny alahady antoandro. Efa mandeha ny fikarohana sy fanarahan-dia ireo olon-dratsy ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L / Haja (Tolagnaro)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici