- Publicité -
dimanche, août 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranomena : Trano 3 nirodana vokatry ny fiavian’ny orana

Andranomena : Trano 3 nirodana vokatry ny fiavian’ny orana

Vao nanomboka ny orana teto Antananarivo dia efa namely mafy sahady. Samy tsy nisy nanam-po tanteraka ny oram-be nitranga  ny sabotsy lasa teo ny ankamaroan’ny olona rehetra teto Antananarivo. Na mbola tamin’ny 4 teo aza ny lera dia toy ireny efa tamin’ny alina ireny. Maro ny voka-dratsy nateraky ny rotsak’orana iny. Toy ny tetsy Andranomena dia fantatra fa trano be miisa 3 no nirodana. Araka ny nahitan’ny be sy ny maro azy dia  mafy tokoa iny orana iny satria trano tsy nampoizina hirodana tokoa izao nirodana izao. Betsaka ny fahavoazana teo amin’ny tompon’ireto trano ireto, satria voalaza fa trano lehibe ary maro ihany koa ny entana potika nandritra iny orana iny. Trao ambony Tanana moa ireto trano ireto ka efa manomboka mikarakara izany ny tompony mba tsy hiteraka loza hafa a. Ankotra izany dia  nisy ihany koa tamboho nirodana vokatr’iny rotsak’orana iny  teny amin’ny faritra Ankorondrano  atsinanana .

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici