- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena : Vazaha nasosan’ny moto nentiny, tapa-tongotra

Andranomena : Vazaha nasosan’ny moto nentiny, tapa-tongotra

Nitohana nandritra ny minitra maromaro ny fifamoivoizana. Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana indray tamin’ny « route digue », 200m eo hiditra an’ Andranomena, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany teo, ka vazaha anti-dahy iray sahabo ho 70 taona eo no tapa-tongotra havanana nasosan’ny moto nentiny. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso, dia nandeha mafy ity vazaha ity, ka nitontona tao anaty lavaka be teo am-povoan’arabe ny moto nentiny. Nianjera sy nisosa tamin’ny godorao izy sy ilay soavalivy, ary nifatratra tamin’ny taksibe iray tery ampita avy eo. Ny nanaitra ny maro nahita an’ity tranga ity, rehefa novonjena hoentina teny amin’ny hopitaly hotsaboina ity teratany vahiny naratra mafy nihosin-drà ity, dia nidrikina mafy tsy nety nandeha, ary nilaza izy fa miandry olona haka azy hono.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici