« Niera handeha hivalan-drano ity mpiadina ity talohan’ny hanombohan’ny fanadinana ka tsy niverina intsony ». Omaly, tovovavy iray, mpiadina bakalorea no nanjavona tao amin’ny ivon-toeram-panadinana iray tetsy Andranonahoatra. Nikoropaka avy hatrany ireo tompon’andraikitra ary nampilaza ny zandary teny an-toerana. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nandeha ny fikarohana rehetra, nanerana ireo ivon-toeram-panadidina teny amin’iny faritra Andranonahoatra sy ny manodidina iny. Tsy ela anefa dia hita ity mpiadina ity izay, efa naka toerana tsara tao anaty efitrano fanadinana tamin’ny ivon-toeram-panadinana iray hafa mihitsy.
Raha ny vaovao azo dia tojo tsy fahasalamana ity mpiadina ity ary efa nanomboka ny alatsinainy niandohan’ny fanadinana bakalorea teo. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitry ny ivon-toerampanadinana ny amin’ny tsy tokony hanohizany intsony ny fanadinana noho izay toe-pahasalamany izay. Efa nampahafantarina izay rahateo ny ray aman-drenin’ilay ankizy, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Marihina fa nilamina tsy nisy tomika ny fanadinana taorian’izay.
m.L