- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndranonahoatra : Voatifitra  tao anaty fiara ilay rangahy

Andranonahoatra : Voatifitra  tao anaty fiara ilay rangahy

Lehilahy fa tsy vehivavy ilay nikasa hanatitra vola tao amin’ny banky tetsy Andranonahoatra Itaosy, ny marainan’ny alatsinainy teo. Mbola tao anaty fiara izy no voatifitry ny jiolahy teo amin’ny sandriny. Izany hoe tena ny ainy mihitsy no nofofoin’ireo olon-dratsy mba hahazoana ny vola izay teny aminy. Nahavita nanohitra ilay rangahy ary nivoaka ny fiara ka nitsoaka nanavotr’aina tao amin’ny biraon’ilay banky. Nisy latsaka ihany ny vola satria mbola nifandroritany tamin’ireo olon-dratsy, saingy tsy sahy naka izany ireo farany. Vita soa aman-tsara ny fanaterany vola ary izay vao natao ny fitsaboana azy teny amin’ny hopitaly. Olona efatra izay nandeha scooter roa no tompon’antoka tamin’ity fandrobàna miampy fikasàna hamono olona ity. Ny tranga toa ity dia manamafy fa mafy ny mpitsikilon’ny jiolahy amin’ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny vola eto an-drenivohitra.

nangonin’i D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici