Zana-kazo miisa 660 fototra no nambolena teo amin’ny manodidina ny loharanon’Andranonandriana izay mamatsy rano ny tanàn’Ambohimalaza. Niara-nisalahy tamin’izany ny solontenan’ny ministera, ny ben’ny Tanànan’Ambohimalaza Miray, ny biraon’ny Terak’Andriantompokoindrina, ny zandarin’ Ambohimalaza, ny orinasa MGA izay niaraka tamin’ireo mpianatra avy any andrenivohitra, ny sekoly Vinet, ny VRM Saint Jean Baptiste Antanatsara, ny CSB II Ambohimalaza, ny fiangonana FPTAF, ny fikambanana Vehivahy Miaradia Ambohimalaza Miray, ny maintimolaly sy sakaizan’ny Sekoly Vinet, ny filoham-pokontany marobe (Fiadanana, Ambohitrandriana, Antetona, Ambohimalaza Miray, ny mponina Andambo ary ny mpiara-miasa tao amin’ny SFA/TA. Andiany faharoa io fambolen-kazo io ary izany dia entina hikolokoloana ny tontolo iainana, indrindra mba hampateza ny loharanon’Andranonandriana izay iankinan’ny tokantrano marobe.
D.R