- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranovaky-Maevatanàna : Maty ihany ilay vehivavy voatsatoka antsy niboraka tsinay

Andranovaky-Maevatanàna : Maty ihany ilay vehivavy voatsatoka antsy niboraka tsinay

Na teo aza ny fialana nenina nataon’ireo mpitsabo an’ilay vehivavy voatsatoka antsy teo amin’ny kibony, dia tsy nahatana ny ainy izany, vokatry ny rà very be loatra sy ny tsinay niboraka. Raha hiverenana ny zava-nitranga tao amin’ny tanàna atao hoe Andranovaky, izay tobim-bolamena any amin’ny fokotanin’Andranobevava, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, dia nikaroka ny vadiny efa ela noho ny fandosirana sy fisintahana an’ilay rangahy rain-janany amin’ny tsy fahavitana hiray tokantrano intsony ny vehivavy, ka teo no nahazo vaovao makasika Ramatoa fofombadiny ity farany amin’ny toerana fonenan-dravehivavy. Rehefa tazany tao amin’ny toby voalaza etsy aloha ny vadiny dia niezaka nanao famerenana ralehilahy, saingy namaly an-kitsirano sy tsy mahavita ny vehivavy. Tsy zakan’ny sain-dranamana ny nahare izany, ary nakany zava-maranitra efa nisisika amin’ny kilaotiny , sady notsatohany ny antsy avy hatrany Ramamany, ka niboraka tsinay mihitsy. Tsy niandry ela, fa tonga dia nitsoaka nalaky ny nahavanon-doza, rehefa vita ny nataony. Ny olona kosa taitra sy niantso an-telefaonina ny mpitandro ny filaminana hanampy amin’ny fisamborana, saingy efa lasa lavitra sy tsy hita izay nalehany. Taorian’izay no noezahina nentina namonjy hopitalibe ao Morafenokely eto Maevatanàna an-tampon-tanàna ny naratra. Telo andro tao anatin’ny fitsaboana anefa ny vehivavy no nindaosan’ny fahafatesana. Itambaran’ny zandary ao amin’ny Poste Fixe Antanimbary sy Andranobevava moa ny fifanomezan-tanàna amin’ny fikarohana ny nahavanon-doza. Efa nentina any Betsileo kosa ny razana ny faramparan’ny herinandro teo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici