- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAndranovelona : « Aide-chauffeur » maty voatetin’ny kodiarana « camiô »

Andranovelona : « Aide-chauffeur » maty voatetin’ny kodiarana « camiô »

Tsy nampoizin’ity mpamily fa hay ny mpanampy azy ihany no lasa « cale » tao ambanin’ny kodiaran’ny fiarabe nentiny. Nandriaka ny rà teny Andranovelona, omaly, teo amin’ny PK 45. Tovolahy iray, 24 taona no namoy ny ainy tao ambanin’ny kamiô, izay niasany ihany. Raha ny fanazavana nentin’ireo nanatri-maso ity loza mahatsiravina ity, avy any Mahajanga ilay fiarabe feno entana, hiakatra ho aty an-drenivohitra. Nijanona sy namono môtera, teo amin’io toerana izy ireo mba hampidina entana. Tamin’izany no nitsofoka sy natory tao amban’ity kamiô ity ilay « aide chauffeur ». Araka ny fantatra dia toa hoe efa zava-panaony ity mitsofoka ao ambany ity rehefa mijanona ilay fiara. Izay antony aloha tsy mazava amin’ny rehetra. Nony handeha hiainga amin’izany ilay fiarabe no niseho ny tsy nampoizina, raha ny fanazavana azo hatrany. Efa feon’ity tovolahy ity nihikiaka, voahosin’ireo kodiaran’ireo sisa no henon’ilay mpamily, izay vao gaga sy talanjona, nitady ny nisy an’ity mpanampy azy ilay sofera. Voatetin’ny kodiaran’ilay fiarabe ny tanany havanana, nihazo ny sorony. Ny lanjan’ny fiara, niampy ny vesatr’ireo entana tao anatiny no indray nanapotipotika ny taolan’ity olombelona lasa « cale »n’ireo kodiarana. Ambonin’izay, mbola voatery ka tsy maintsy novelomina ary nahemotra indray ilay fiara. Teo no eo ihany dia namoy ny ainy ilay tovolahy voahosin’ny kodiarana, tsy azo novonjena akory tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana, nijery ifotony ny zava-misy sy nitondra ity mpamily hohadiadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser