Maty tsy tra-drano ilay mpitondra bisikileta, mpandeha efatra, izay zazakely no roa no namoy ny ainy tao anatin’ilay fiara mpitatitra. Loza niseho tetsy Andranovelona Ankazobe, omaly maraina. Nandriaka ny rà, namono olona indray ny lalàm-pirenena fahefatra, omaly vao mangiran-dratsy, efatra kilaometatra tsy hidirana ny tanànan’Andranovelona, teo amin’ny toerana antsoina hoe
« trano kambana ». Taxi-brousse mampitohy ny renivohitr’i Boina amin’ny renivohitr’i Madagasikara no niharan-doza indray tamin’ iny lalam-pirenena iny. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina latsaka teo izahay no nahazo antso, hoy ireo mpitandro filaminana, hitanay teny an-toerana. Tamin’io ora io tokoa, araka ny fitantaran’ny mpandeha iray, naratra, no nanomboka nanitsaka hisatra tampoka ny mpamily. Ny fiara anefa tsy dia hoe nandeha mafy be akory. Nivilivily be amin’izay, nihilana tampoka tany amin’ny ankavia ilay fiara, avy eo nitrosona sy nivadibadika. Tao anatin’ny indray mipi-maso monja izany. Raha ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana tonga nanadihady teny an-toerana dia voalaza fa niezaka niala mpitaingina bisikileta teo alohany ny mpamilin’ilay fiara. Tamin’izay anefa no nisy fiarabe nandalo tampoka ihany nifanena. Voatery niala izany ny mpamily ka nifaoka ilay bisikileta teo alohany. Ary nanomboka teo no tsy voatana intsony ny familiana ka izao niafara tamin’ny fivadibadihany izao, tany amin’ny ilany ankavian’ny lalana. Dimy no isan’ireo olona namoy ny ainy tao anatin’izany. Mpianaka, avy Mahajanga nikasa ny hihazo an’i Tsiroanomandidy, lehilahy iray teo akaiky ny mpamily ary zazakely iray, tokony ho efa-taona eo ho eo, niampy ilay lehilahy, tokony ho 30 taona any ho any, nitondra ilay bisikleta. Ity farany, tamin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana dia tsy mbola fantatra na iza na iza. Tsy nisy namantarana azy ihany koa teny aminy. Dimy ihany koa ireo mpandeha naratra tamin’ity loza ity, ary anisany ny mpamilin’izany fiara izany. Nentina nihazo toeram-pitsaboana izay akaiky teo avokoa ireo naratra mafy. Nisy ny nentina tany Ankazobe ka an-dalana ho any no namoy ny ainy ilay ankizikely iray. Ilay lehilahy nitondra bisikleta kosa efa namoy ny ainy koa tamin’ny nahatongavany tao amin’ny tobim-pahasalamana tao Andranovelona. Notsaboina tao ihany koa ny mpamily sy mpandeha iray. Ary tao ireo nentina novonjena tany hopitaly Bejofo Mahitsy. Efa samy tonga teny an-toerana moa ny fianakavian’ireo namoy ny ainy. Ny raharaha kosa efa eny am-pelantanan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, manao ny fanadihadiana.
m. L