Nirehitra tanteraka ilay fiara fitaterana. Taxi-brousse izay hihazo an’Antananarivo no nirehitra teo Andranovelona omaly. Tafavoaka ara-potoana avokoa ny olona sy entana notaterina fa ilay fiara kosa no kila forehitra. Nojerem-potsiny sisa ilay Sprinter satria tsy nahafaty ny afo ny rano kely nampiasain’ny olona. Olana ara-teknika mazava hoazy no nitarika ny loza saingy tsy voafaritra mazava hoe inona tokoa. Omaly fotsiny izany dia efa loza roa samihafa no nitranga tamin’ny RN4, ny iray tapaka hisatra ary ny faharoa io nirehitra io. Mba araka ny tokony ho izy ve ny fitsirihana ara-teknika?
D.R