- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranovelona : Tovovavy 19 taona hita faty tanaty rano

Andranovelona : Tovovavy 19 taona hita faty tanaty rano

Nanomboka afak’omaly hariva izy no tsy hita tao an-tranony. Nanomboka teo ihany koa ny fikarohana azy ka tao anaty rano teo amin’ny manodidina an’Andranovelona, Ilafy,  no nahitàna azy, efa tsy nisy aina intsony. Mbola niankanjo izy, tsy nisy ratra ny vatany tamin’ny fotoana nampiakaran’ny olona azy teo an-tanety. Naterina teny amin’ny tranom-paty ny razana omaly. Tsy mbola fantatra ihany koa izay nanjo azy ary mety ho avy amin’ny alàlan’ny fitsirihana ny razana no hahafantarana an’izany. Tonga teny amin’ny tranom-paty ny havany sy ny fokonolona nanatitra ny razana, omaly.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser