- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndranovorivato : Jiolahy saika hanafika tratra niaraka tamin’ny basy

Andranovorivato : Jiolahy saika hanafika tratra niaraka tamin’ny basy

Ny alatsinainy lasa teo raha nanao fiambenana tsena, na « surveillance de marché », ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny PA Andranovorivato Fianarantsoa . Lehilahy iray no tratra nitondra basy vita gasy niaraka tamin’ny balana basim-borona miisa 5, ary “lampe de poche”, izay samy nafenina tao anaty kitapo avokoa.

Avy hatrany moa dia nosamborina ity lehilahy ity ka tao aorian’ny fanadihadiana no fantatra fa jiolahy handeha hanao fanafihana izy ity , ary teo amin’ny tsena nahasamborana azy ity no fantatra fa saika hanao ny fivoriana izy ireo hanatanterahana ny fanafihana nokasaina hatao.

Natolotra ny fampanoavana ity jiolahy ity ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Be dia be tokoa moa ny tranga tahak’izao ka ampiasain’ny jiolahy amin’ny asa ratsiny, ary tsy mifidy izy ireo amin’izay fitaovana ampiasainy, matetika moa dia mahery vaika hatrany. Ao aorian’ny fitsarana moa no hahafantarana marina ny toerana saika hanaovan’izy ireo ny fanafihana.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser